Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Fahendrena

Fahendrena toko 11, 22-26,12

       <12Alahelo roa sosona no nahazo azy ireo,
ary nisento izy nahatsiaro ny zava-nitranga.
       22Zava-madinika indrindra manindry miz├ána, izao tontolo izao eo anoloanao,
ando maraina indray mitete latsaka amin'ny tany.
       23Noho hianao mahefa ny zavatra rehetra anefa, no iantranao azy rehetra,
sy tsy ijerenao ny fahotan'ny olombelona mba hibebahany.
       24Satria tianao avokoa ny zava-boahary,
ary tsy misy halanao izay nataonao;
fa raha misy iray halanao, tsy ho nataonao akory.
       25Ary zavatra inona moa no afa-ko misy raha tsy sitrakao,
na haharetany raha tsy nampisinao?
       26Mamela azy rehetra anefa hianao, satria anao ny zavatra rehetra,
ry Tompo tia ny fanahin'ny olona. >