Bokin'ny Fahendrena

Fahendrena toko 12. 13,16-19

       13 Fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy hianao ihany,
izay mitandrina ny zavatra rehetra,
mba hanehoana fa tsy manao fitsara-mitanila hianao.
       16 Fa ny fahefanao dia fanorenan'ny fahamarinana:
ary noho hianao Tompon'ny olona rehetra,
no itondranao azy rehetra amim-pamindram-po.
       17 Izay tsy mino ny fahefanao tsitoha
no anehoanao ny herinao;
ary izay mahalala an'izany dia ataonao mangaihay amin'ny hasahiany.
       18 Fehezin'ny sitra-ponao ny herinao, ka mitsara amin-kamoram-po hianao,
ary mitondra anay amim-pamindram-po lehibe;
satria eo aminao ny fahefana rahefa tianao.
       19 Ny nanaovanao izany no nampianaranao ny vahoakanao
fa tokony ho antra olona ny marina;
sy nampidirinao fanantenana mahafaly amin'ny zanakao
fa raha manota izy, omenao andro hibebahany.