Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-12

13 Fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy hianao ihany, izay mitandrina ny zavatra rehetra, mba hanehoana fa tsy manao fitsara-mitanila hianao.

16 Fa ny fahefanao dia fanorenan'ny fahamarinana: ary noho hianao Tompon'ny olona rehetra, no itondranao azy rehetra amim-pamindram-po.

17 Izay tsy mino ny fahefanao tsitoha no anehoanao ny herinao; ary izay mahalala an'izany dia ataonao mangaihay amin'ny hasahiany.

18 Fehezin'ny sitra-ponao ny herinao, ka mitsara amin-kamoram-po hianao, ary mitondra anay amim-pamindram-po lehibe; satria eo aminao ny fahefana rahefa tianao.

19 Ny nanaovanao izany no nampianaranao ny vahoakanao fa tokony ho antra olona ny marina; sy nampidirinao fanantenana mahafaly amin'ny zanakao fa raha manota izy, omenao andro hibebahany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.054