Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-14

1 Indro misy iray koa, mihevitra ny hiondrana ho eny ambony ranomasina, ka miomana ny handeha eny ambonin'ny onja misamboaravoara: hazo mora vaky noho ny sambo mitondra azy no antsoiny;

2 fa ny sambo dia noho ny fanirian-kahazo vola no nahitana azy, ary fahaizan'ny mpanao taozavatra no nandrafetana azy.

3 Ny fitondranao anefa, Ray ô, no mitondra azy, hianao izay nanori-dàlana eny amin'ny ranomasina, sy làla-mahatoky mamakivaky ny onjan-drano.

4 Ka tamin'izany hianao dia nampiseho fa mahay manafaka amin'ny loza rehetra mba hahazoan'ny olona rehetra hiondrana, na dia tsy mahay mitondra sambo aza izy.

5 Tsy tianao hitoe-poana ny asan'ny fahendrenao; ka noho izany dia manankina ny ainy amin'ny hazo malia ny olombelona, mamakivaky ny onjan-drano amin'ny zahatra, tsy maty fo aman'aina.

6 Ary fahiny, raha ringana ireo rapeto be avonavona, ny fanantenan'izao tontolo izao kosa, afa-nandositra tamin'ny lakana, sady entin'ny tananao, ka namela loharanon-taranaka ho an'izao tontolo izao.

7 Fa ny hazo, anaovan-javatra mety, dia voatso-drano.

8 Fa ny sampy asan-tanan'olombelona kosa, voaozona mbamin'izay nanao azy: ity moa voaozona noho ny nanamboarany an'io; iry kosa noho izy zavatra mety levona, nefa mitondra ny anaran'Andriamanitra;

9 fa samy halan'Andriamanitra na ny mpanohitra ny fivavahana, na ny zavatra fanoherany ny fivavahana.

10 Ka samy hosaziny, ny asa atao sy ny mpanao.

11 Noho izany, hosavana ny sampin'ny firenena fa zava-boaharin'Andriamanitra izy, nefa zary fahavetavetana, fanafintohinana ho an'ny fanahin'ny olombelona, fandrika mahavoa ny tongotry ny adala.

12 Satria ny hevitra hanao sampy dia fototry ny nisarahan'ny olona tamin'Andriamanitra, ary ny mamorona an'izany no nitarika ny fahafatesana.

13 Tsy nisy ireny tamin'ny voalohany ary tsy hisy mandrakariva akory koa.

14 Ny fahadalan'ny olona no nampiditra izany tamin'izao tontolo izao; ary efa raikitra ao an-tsain'Andriamanitra ny famongorana izany efa akaiky.

15 Misy ray vonton'alahelo haingan-doatra, ka nanamboatra sarin'ny zanany izay nalaky nalaina taminy; ary raikitra nanome haja hoatra ny andriamanitra izany zanany maty izany; ary ao amin'ny ankohonany dia nanangana fombam-pivavahana sy seremonia izy.

16 Ary niharaikitra tsikelikely izany fomba manohitra ny fivavahana izany, ka tonga voatandrina hoatra ny lalàna, ary noho ny didin'ny mpanapaka, dia nohajain'ny olona ny sary.

17 Raha tsy afa-manaja azy eo anoloany ny olona, fa lavitra loatra no onenany, sarin'ny endriny lavitra no natao, ka ny sarin'ny mpanjaka hajainy hita maso no noforonina, hanomezana fanajana azy tsy eo amin-kafanam-po, toy ny raha eo izy.

18 Ary ny nampandroso ny fomban-tsampy dia satria izay tsy mahalala ny mpanjaka mba voatariky ny hambon'ny mpanao sary.

19 Satria nila sitraka tamin'ny tompo be fahefana izy ity ka mandany ron-doha amin'izay hahakanto ny sary.

20 Dia sodokan'ny hakanton'ny taozavatra ny sarambabem-bahoaka, ka nataony ho andriamanitra ilay efa nohajainy ho olombelona tato ho ato.

21 Fandrika ho an'ny velona raha ny olona azon'ny fahoriana na teren'ny mpanao jadona, niantso ny vato aman-kazo amin'ny anarana tsy azo iombonana.

22 Tsy vitan'ny hoe mivaona fotsiny ny fahalalan'izy ireo an'Andriamanitra; fa noho ny fifanoherana mafy mahazo ny tenany avy amin'ny tsy fahalalany koa, dia nantsoiny amin'ny anarana hoe fiadanana izany loza izany.

23 Nankalazainy ny fomban-tsampy famonoana ny zanany, na ny fombam-pivavahana atao an-tsokosoko, ary mitolo-batana amin'ny fahavetavetana diso ohatra fanao amin'ny fomba hafahafa izy:

24 tsy nahalala menatra intsony izy na amin'ny toe-piainany, na amin'ny fanambadiany. Ny iray mamono ny iray hafa, amin'ny famadihana, na manitsakitsaka azy amin'ny fakam-badin'olona.

25 Hany hita hatraiza hatraiza dia ra amam-bonoan'olona, halatra amam-pitaka, fanisihana amam-pivadihana, fikomiana amam-pianianan-tsy to,

26 fanenjehana ny tsara fanahy, fanadinoana ny soa noraisina avy amin'ny olona, fahalotoan'ny fanahy, heloka mifanohitra amin'ny fomban'olona, tsy faharetana amin'ny fanambadiana, fakam-badin'olona sy fahavetavetana.

27 Satria ny fanompoan-tsampy tsy azo tononina dia fototra amam-pihaviana ary anton'ny ratsy rehetra.

28 Hafaliana tsy misy fotony no lalaon'izy ireo, ary lainga no valin-teny avy amin'ny andriamaniny. Milomano amin'ny haratsiana izy, ary mianiana tsy to mora foana.

29 Fa sampy tsy manan'aina no ianteherany, ka tsy heveriny hahitan-doza akory, izay fianianana tsy marina ataony.

30 Hanjo azy anefa ny sazy tandrifin'izany heloka roa sosona izany; satria niraikitra tamin'ny sampy izy, ka notsiratsirainy amin'izay ny lalàna masina indrindra.

31 Tsy avy amin'ny herin'ny sampy nianianany izany, fa sazy tandrifiny havaly ny mpanota, ka tsy maintsy mihatra mandrakariva amin'ny fivadihan'ny mpanohitra ny fivavahana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0448