Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-15

1 Fa hianao, ry Andriamanitray ô, no tsara fo, mahatoky, mahari-po, ka mitondra ny zavatra rehetra amim-pamindram-po.

2 Na dia manota aza izahay, dia anao ihany; mahalala ny fahefanao; tsy te-hanota anefa izahay, satria fantatray fa isaina amin'ireo anao izahay.

3 Ny mahalala anao dia fahamarinana lavorary, ary ny mahalala ny fahefanao, no fototry ny tsy fetezana ho faty.

4 Tsy voasodoka izahay na tamin'ny zavatra noforonin'ny mpahay zavatra mamohehatra na tamin'ny endri-javatra voafotetaky ny loko samihafa volo, zava-poana nataon'ny mpanoso-doko;

5 ny fijery azy manetsika ny filan-dratsin'ny adala, izay mety ho raiki-pitia amin'ny endri-javatra tsy misy aina.

6 Fa efa raiki-po amin'ny ratsy izy ireo, ka tandrifin'ny fanantenana toy izany na izy manao, na ireo tia sy mivavaka amin'izany.

7 Satria indro misy mpanefy vilany anankiray, mikezaka mandity tanimanga malemy: samy fasian-javatra ampiasaintsika avokoa aloha no ataony, ka tanimanga iray ihany no namoronany fasian-javatra fanao amin'ny zavatra misy hajany, ka tsy avahany akory na hatao inona na hatao inona avy izany: fa ny mpanefy vilany ihany no hanapaka izany.

8 Manaraka izany, asa fanoherana ny fivavahana no ataony, fa ilay tanimanga ihany no amoronany andriamanitra tsy izy, dia izy izay natao tamin'ny tany fahiny, sy mbola hiverina faingana amin'ny tany nangalana azy, rahefa avy izay hitakiana aminy ny fanahy nampindramina azy.

9 Samy tsy ahiny akory anefa, na ny heriny mihalany, na ny hafohin'ny andro iainany; fa maninana an'ireo manefy volamena sy volafotsy izy; maka tahaka an'ireo mpanefy varahina izy, ary hataony ho voninahiny, ny manao endri-javatra manodoka.

10 Manahaka ny lavenona ny fony, ambany noho ny tany ny fanantenany; ary latsa-danja noho ny tanimanga ny ainy.

11 Satria izy tsy nahalala ilay nanao azy, izay nampiditra fanahy miasa ao aminy, sy nametraka fofon'aina taminy.

12 Nataon'izy io ho filalaovana ny fisiantsika; ary ho tsena fivoriana hitadiavana tombom-barotra ny fiainantsika; fa tsy maintsy manao izay rehetra mety hihariana, hoy izy, na dia amin'ny heloka aza.

13 Satria fantany tsara fa izay meloka indrindra amin'izy rehetra, dia izy izay sady manao fasian-javatra malia no namorona sampy koa amin'ny tany iray ihany.

14 Kanefa samy adala dia adala avokoa, ary latsa-danja noho ny fanahin-jaza aza, ireo fahavalon'ny vahoakanao, izay manindry azy amin'ny fahoriana.

15 Satria nataon'izy ireo ho andriamanitra avokoa ny sampin'ny firenena, izay tsy afa-mampiasa ny masony hijery na ny vavorony hiaina rivotra, na ny sofiny hihaino, na ny rantsan-tanany hitsapa, ary tsy afa-mamindra ny tongony.

16 Olombelona no nanao azy ireny; izay nampindramina fofon'aina no namorona azy. Tsy misy olombelona mahavita andriamanitra mitovy amin'ny tenany akory.

17 Satria noho izy mety maty dia zavatra tsy manan'aina ihany no mety vitan'ny tànany mankahala ny fivavahana. Ambony noho ireo zavatra ivavahany izy, fa izy manan'aina ahay; ary ireo tsy nanana na oviana na oviana.

18 Anaovan'izy ireo fombam-pivavahana izay biby maharikoriko indrindra, sy ratsy amin'ny biby rehetra raha ny hadalana no hitsarana azy, ka tsy misy soa kely akory ao aminy mety hampitia azy toy ny endriky ny biby hafa;

19 ka mihataka amin'ny fiderana amam-pisaorana an'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.112