Bokin'ny Fahendrena
Toko faha-2
6 Koa avia, aoka isika hiarana amin'ny soa ankehitriny; miarana amin'ny zava-boahary araka ny firehitry ny fahatanorantsika,7 aoka isika himamo amin'ny divay kanto sy amin'ny zava-manitra, ary aza avela ho lany foana ny vonin'ny lohataona.
8 Manaova fehiloha bokom-bonin-draozy, dieny mbola tsy malazo izy.
9 Aoka tsy hisy amintsika izao, ho diso ny filibantsika, asiontsika hatraiza hatraiza ny marika fampahatsiarovana ny firavoravoantsika; fa izany no mba anjarantsika, izany no mba efa tapaka ho antsika.