Bokin'ny Fahendrena
Toko faha-2
12 Koa ifanakano ny marina, satria manahirana antsika izy, manohitra ny fomba fanaontsika, maniny antsika amin'ny fandikantsika ny lalàna, ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra amin'izay nampianarana antsika.17 Aoka hozahantsika raha marina ny filazany, ary hodinihintsika izay hahazo azy, eo am-pialana amin'ity fiainana ity.
18 Satria raha zanak'Andriamanitra ny marina, dia arovan'Andriamanitra izy, ary ho afahany amin'ny tànan'ny fahavalony.
19 Ka sedrao amin'ny latsa amam-pijaliana izy hoe: Hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany!
20 Helohy ho faty amin'ny fahafatesana mahafa-baraka izy, satria araka ny filazany dia hoahin'Andriamanitra izy.