Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-6

1 Koa mihainoa, ry mpanjaka, ary mamantara; mihainoa ny fampianarana, hianareo mitsara hatramin'ny faran'ny tany.

2 Mampandria sofina, hianareo manapaka ny sarambabem-bahoaka, hianareo mirehareha amin'ny fifehezanareo vahoaka be.

3 Fantaro fa ny Tompo no nanome anareo ny hery, ary ny Avo Indrindra no nanome anareo ny fahefana, dia izy no handinika ny asanareo, sy hizaha toetra ny hevitrareo.

4 Noho hianareo izay mpanao raharaha amin'ny fanjakany tsy mbola nitsara ara-drariny, na nitandrina ny lalana, na nandeha araka ny sitrapon'Andriamanitra;

5 dia hiantefa aminareo izy mahatsiravina sy tampoka fa fitsarana mafy no hatao amin'izay mandidy.

6 Ny madinika, avela heloka amim-pamindram-po, fa ny manam-pahefana kosa faizina mafy.

7 Tsy misy olona hihemoran'Ilay Mpanjakan'ny olona rehetra, ary tsy misy olona ambony hiatoany amin-kenamaso; fa samy nohariny ny lehibe sy ny kely, ary samy ahiny na ireto na iretsy.

8 Nefa ny manam-pahefana hanaovana fitsapana mafy.

9 Koa dia hianareo no hitenenako, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena, ka tsy ho lavo hianareo.

10 Izay mitandrina ny lalana masina, amim-pahamasinana, hohamarinina; ary izay mianatra azy hanan-kavaly.

11 Koa aoka hankamaminareo ny teniko; aoka haniry azy hianareo dia hahazo fampianarana.

12 Ny fahendrena dia mamirapiratra, tsy mety matroka hatsarana; mora mahita azy ny olona raha tia azy izy, ary mora mahazo azy raha mitady.

13 Mitsena an'izay mitady azy izy, ary miseho aminy voalohany.

14 Izay mifoha maraina koa hitady azy, tsy mananosarotra, fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany.

15 Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary, ary ny miari-tory noho ny aminy, dia ho afak'ahiahy vetivety;

16 mandeha mivezivezy atsy amin'ary izy, mitady an'izay mendrika azy, miseho amin'ireny eny an-dalan'izy ireo izy amim-pihavanana, ary manampy azy amin'ny hevitra kasainy rehetra.

17 Fa ny fiandohan'ny fahendrena mahatoky dia ny faniriana ny fampianarana.

18 Ary ny miahy ny fianarana kosa mitarika ho amin'ny fitiavana, ny fitiavana mampitandrina ny lalàny, ny fitandremana ny lalàny ahazoana antoka ny tsy fahafatesana mandrakizay.

19 ary ny tsy fahafatesana mandrakizay ahazoan-toerana eo akaikin'Andriamanitra.

20 Noho izany, ny faniriana ny fahendrena, mampahazo fanjakana,

21 koa raha maminareo, ry mpanjakan'ny vahoaka, ny seza fiandrianana amam-tehim-panjakana: hajao ny fahendrena mba hanjaka mandrakizay.

22 Fa ny hoe inona no fahendrena, ary inona no fihaviany, dia hasehoko izao, ary tsy afeniko aminareo ny misterin'Andriamanitra. Hatomboko hatrany amin'ny fiandohan'ny nahariana ny zavatra, hasehoko mazava izay rehetra momba azy, ary tsy hivily hiala amin'ny marina aho.

23 Lavitra ahy ny hiara-dàlana amin'ny fialonana mandevona! fa tsy mba manana anjara amin'ny fahendrena io, na dia kely aza.

24 Ny habetsahan'ny hendry dia famonjena ny tany; ary ny mpanjaka hendry dia fanambinana ny vahoakany.

25 Koa raiso ary ny fampianarana amin'ny teniko, dia hahita soa amin'izany hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0493