Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Fahendrena

Fahendrena toko 6, 12-16

       <12Ny fahendrena dia mamirapiratra, tsy mety matroka hatsarana;
mora mahita azy ny olona raha tia azy izy,
ary mora mahazo azy raha mitady.
       13Mitsena an'izay mitady azy izy,
ary miseho aminy voalohany.
       14Izay mifoha maraina koa hitady azy, tsy mananosarotra,
fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany.
       15Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary,
ary ny miari-tory noho ny aminy, dia ho afak'ahiahy vetivety;
       16mandeha mivezivezy atsy amin'ary izy, mitady an'izay mendrika azy,
miseho amin'ireny eny an-dalan'izy ireo izy amim-pihavanana,
ary manampy azy amin'ny hevitra kasainy rehetra. >