Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Fahendrena

Fahendrena toko 7, 7-11,

       <7Noho izany, nivavaka aho, ka nomena ahy ny fahiratan-tsaina;
niantso aho, ka tonga tamiko ny fanahin'ny fahendrena.
       8Naleoko izany, toy izay tehim-panjakana aman-tsatro-boninahitra;
ary nataoko tsy misy vidiny ny harena, miolotra amin'izany.
       9Tsy nampitoviko taminy, ny vato sarobidy indrindra;
fa fasika kely ihany ny volamena rehetra amin'izao tontolo izao miolotra aminy,
ary tsy maintsy atao ho fotaka ihany ny volafotsy mitaha aminy.
       10Tiako noho ny fahasalamana aman-katsaran-tarehy izy,
naleoko manana azy, toy izay manana ny fahazavana,
satria tsy mba maty na oviana na oviana ny fanilony.
       11Tonga tamiko miaraka aminy, ny soa rehetra;
ary harena tsy hita lany no eo an-tànany. >