Bokin'ny Fahendrena

Fahendrena toko 8
Ny antony nitadiavan'i Salomona ny fahendrena.

       1 Ny fahendrena mahatratra amim-pahefana ny fara-vazan-tany hatramin'ny ilany iray ka hatramin'ny ilany iray hafa,
ary mandamina ny zavatra rehetra amin-kalemem-panahy.
       2 Hatramin'ny fahatanorako aho no efa tia sy nikatsaka azy,
nitady hanana azy ho vady,
ary raiki-pitia ny hatsaran-tarehiny.
       3 Maneho ny voninahitry ny fihaviany izy,
amin'ny fiarahany monina amin'Andriamanitra,
ary tia azy ny Tompon'ny zavatra rehetra.
       4 Satria izy no nampiditra ny olona amin'ny fahalalan'Andriamanitra,
sy mifidy eo amin'ny asany.
       5 Raha soa faniry amin'ity fiainana ity ny harena,
inona no harem-be mihoatra noho ny fahendrena izay mahavita ny zavatra rehetra?
       6 Raha ny fahiratan-tsaina no mitarika amin'ny lahasa,
iza no mpamorona ny zava-misy rehetra, mihoatra noho ny fahendrena?
       7 Tia fahamarinana va ny olona?
Ny asan'ny fahendrena no mahavokatra ny hatsaram-panahy,
mampianatra ny fahononana, ny fahamalinana izy,
ary ny fahamarinana sy ny faherezana,
dia izay zava-mahasoa indrindra ny olombelona amin'ity fiainana ity.
       8 Maniry fahalalana lasa lavitra va ny olona?
Mahalala ny lasa sy mahavinany ny ho avy ny fahendrena,
mahatakatra ny oha-teny saro-pantarina sy mahavaofy ny teny mifono,
mahafantatra mialoha ny marika amam-pamantarana,
mahalala ny zavatra tonga amin'ny fotoany sy amin'ny tonon'androny.
       9 Izany no nahatapa-kevitra ahy haka azy ho namana amin'ny fiainako;
fa fantatro fa izy dia ho mpanolo-tsaina ahy amin'ny soa rehetra;
ary ho fanalana alahelo ahy amin'ny ahiahy amam-pahoriako.
       10 Izy no hahazoako voninahitra eo amin'ny fivoriana,
sy haja eo amin'ny anti-panahy, na mbola tanora aza aho.
       11 Ho fantatry ny olona ny fahiratan-tsaiko amin'ny fitsaran-javatra,
ka hitolagaga eo anatrehako ny lehibe.
       12 Mangina aho, hiandry ahy hiteny izy ireo;
miteny aho, ho any amiko ihany ny mason'izy rehetra;
ary lava teny aho,
hitampim-bava izy ireo.
       13 Izy no hahazoako tsy fetezana ho faty,
ary hamelako fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny taranaka.
       14 Hitondra vahoaka aho,
ary hanaiky ahy ny firenen-kafa.
       15 Hatahotra ahy ny mpanjaka atahorana, raha vao mandre ny lazako izy ireo;
ho malemy fanahy aho, eo amin'ny vahoakako, ary ho mahery fo amin'ny ady.
       16 Hiala sasatra eo anilany aho, raha mody ao an-tranoko;
fa ny fiarahana aminy tsy mba misy ngidiny,
ny mifankahazo aminy tsy mahavokatra fahasorisorenana,
fa fifaliana amam-piravoravoana ihany.
       17 Nandinidinika izany hevitra izany aho samy irery,
ary nieritreritra tao am-poko, fa hoe:
tsy fetezana ho faty no vokatry ny firaisana amin'ny fahendrena;
       18 fahafinaretana mendrika no avy amin'ny fifankatiavana aminy;
harena tsy manam-paharitana no avy amin'ny asan'ny tànany;
fahiratan-tsaina no azo amin'ny fifankahazoana tsy tapaka aminy;
ary voninahitra no azo amin'ny fiaraha-miresaka aminy:
ka dia nandeha nankatsy, nankary, nitady ny hahazoako azy ho namana aho.
       19 Fahizany aho mbola zaza tsara toe-tena,
sady tsara koa ny fanahy noraisiko ho anjarako;
       20 na izao ahay: efa tsara rahateo aho, ka dia tonga tao anaty vatana tsy misy loto.
       21 Fantatro anefa fa tsy afaka hahazo fahendrena aho, raha tsy omen'Andriamanitra,
- ary efa fahiratan-tsaina sahady ny mahalala izay ihavian'io fanomezana io, -
ka dia niteny tamin'ny Tompo aho, sy niantso azy,
ary amin'ny foko tokoa, no nilazako taminy hoe: