Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Fahendrena

Fahendrena toko 9, 13-18,

       <13Fa iza moa no olombelona, afaka hahalala izay hevitr'Andriamanitra?
na zovy no hahatakatra izay sitra-pon'ny Tompo?
       14Miroahanahana ny hevitry ny olombelona,
ary anjoanjo ihany ny eritreritray.
       15Satria vesaran'ny vatana mety lo ny fanahy,
ary vizanin'ny fonenany tany ny saina maro hevitra.
       16Zara raha mahavinavina ny eto an-tany izahay;
ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay;
koa zovy ary no hahatakatra izay any an-danitra?
       17Zovy no nahalala izay sitra-ponao, raha tsy nomenao ny fahendrena,
sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony?
       18Izany no nahahitsy l├álana an'izay eto an-tany,
ka nahalalan'ny olombelona izay sitrakao,
ary namonjena azy ireo tamin'ny fahendrena. >