Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Fanambaràna toko 15, 1-4,
Ny famantarana fahafito - Ireo anjely fito mitondra loza fito - Ny kapoaka fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra.

       1Rahefa izany, dia nahita famantarana hafa sady lehibe no mahagaga tany an-danitra aho, dia anjely fito nitondra loza fito farany, fa amin'ireo no hanaperana ny fahatezeran'Andriamanitra.
       2Ary nahita toa ranomasina fitaratra miharo afo aho; ka izay nandresy ny Biby sy ny sariny ary ny isan'ny anarany no nitsangana teo amoron'io ranomasina fitaratra io, mitana ny harp'Andriamanitra. 3Ny hiran'i Moizy mpanompon'Andriamanitra sy ny hiran'ny Zanak'ondry no nohirain'izy ireo, ka hoy izy: Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan'ny taona mandrakizay! 4Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa hianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsaranao! >