Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Fanambaràna toko 1, 5-8
<5ary avy amin'i Jesoa-Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin'ny maty, ary Filohan'ny mpanjakan'ny tany.
Ho an'ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin'ny rany, 6sy nanao antsika ho fanjakana amam-pisoron'Andriamanitra Rainy, eny, ho azy anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay doria. Amena.
       7Indro izy avy eo amin'ny rahona, ka hahita azy ny maso rehetra, na dia ny an'ireo nandefona azy aza; ary handon-tratra ny firenena rehetra ambonin'ny tany amin'ny fahitana azy. Eny. Amena.
       8Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra. >