Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-11

4 Izy ireo no fototr'oliva roa sy fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany.

5 Ka raha misy te-hanisy ratsy azy ireo, dia hisy afo mivoaka avy any am-bavany handevona ny fahavalony, ary hovonoina toy izany avokoa izay mitady hamely azy. 6 Manam-pahefana hanidy ny lanitra izy ireo, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro haminaniany; sady manam-pahefana amin'ny rano koa izy, ka mahova azy ho rà, sy hamely ny tany amin'ny loza rehetra isaky ny te-hanao izany izy. 7 Ary rahefa vita ny fanambaran'izy ireo, dia hiady aminy ilay Biby hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa, ka haharesy azy sy hahafaty azy;

8 ary ny fatiny dia hiampatra eo an-kianjan'ny tanàna lehibe izay atao amin'ny teny an'ohatra hoe: Sodoma sy Ejipta, eo amin'ilay namantsihana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana. 9 Olona samihafa firenena sy foko sy fiteny ary fanjakana no hijery ny fatiny miampatra eo, hateloan'andro sy tapany, fa tsy havelany halevina any am-pasana izy ireo.

10 Hifaly ny mponina ety ambonin'ny tany noho ny amin'izy ireo; hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo, fa nampijaly ny mponina tety an-tany ireo mpaminany roa ireo. 11 Nony afaka hateloana sy tapany anefa, dia nisy fanahin'aina avy amin'Andriamanitra, niditra tamin'ireo faty ireo, ka nijoro tamin'ny tongony izy, ary raiki-tahotra mafy izay nahita azy. 12 Sady injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao taminy hoe: Miakara aty. Dia niakatra any an-danitra tao anatin'ny rahona, sy teo anatrehan'ny fahavalony izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.065