Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-14

14 Dia nijery aho, ka indro nisy rahona fotsy, ary teo amboniny nisy olona nipetraka sahala amin'ny Zanak'olona; satro-boninahitra volamena no teny an-dohany, antsy fijinjana maranitra no teny an-tànany.

15 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy ao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery, ka nanao tamin'ilay nipetraka tambonin'ny rahona hoe: Alefaso ny antsy fijinjanao, ka mijinjà, fa tonga ny taom-pinjinjana, satria masaka ny vokatry ny tany. 16 Dia nalefan'ilay nipetraka tamin'ny rahona teny amin'ny tany ny antsy fijinjàny, ka voanjinja ny tany. 17 Nisy anjely anankiray hafa koa, nivoaka avy teo amin'ny tempoly any an-danitra, nitana antsy fijinjàna maranitra koa.

18 Dia nivoaka avy eo amin'ny otely ity anjely manam-pahefana amin'ny afo, niantso tamin'ny feo mahery, ka nilaza tamin'ilay nitana antsy fijinjàna maranitra hoe: Alefaso ny antsy fijinjànao, ka otoazy ny sampahom-boaloboka eny amin'ny tanim-boaloboky ny tany, fa efa masaka ny voany. 19 Dia nalefan'ilay anjely tany amin'ny tany ny antsy fijinjàny, ka notoazany ny voaloboky ny tany, ary natsipiny tao anatin'ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran'Andriamanitra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0791