Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-15

1 Rahefa izany, dia nahita famantarana hafa sady lehibe no mahagaga tany an-danitra aho, dia anjely fito nitondra loza fito farany, fa amin'ireo no hanaperana ny fahatezeran'Andriamanitra.

2 Ary nahita toa ranomasina fitaratra miharo afo aho; ka izay nandresy ny Biby sy ny sariny ary ny isan'ny anarany no nitsangana teo amoron'io ranomasina fitaratra io, mitana ny harp'Andriamanitra.

3 Ny hiran'i Moizy mpanompon'Andriamanitra sy ny hiran'ny Zanak'ondry no nohirain'izy ireo, ka hoy izy: Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan'ny taona mandrakizay! 4 Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa hianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsaranao!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1616