Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany
Toko faha-21
4 Hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha. 5 Dia hoy ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana: Indro havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa izy: Soraty fa marina sy mahatoky ireo teny ireo.6 Nanaraka izany, dia hoy izy tamiko: Vita izany. Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana. Hampitsotroiko maimaim-poana amin'ny loharanon'aina izay mangetaheta. 7 Ary izay mandresy no hanana ireo zavatra ireo, ka izaho ho Andriamaniny, izy ho zanako. 8 Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin'ny mpandainga rehetra, dia any amin'ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa. 9 Tamin'izay, ny iray tamin'ny anjely fito nitondra ny kapoaka fito feno ny loza fito farany, dia tonga nilaza tamiko hoe: Avia fa hasehoko anao ny Vehivavy ampakarina ho Vadin'ny Zanak'ondry.