Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-21

9 Tamin'izay, ny iray tamin'ny anjely fito nitondra ny kapoaka fito feno ny loza fito farany, dia tonga nilaza tamiko hoe: Avia fa hasehoko anao ny Vehivavy ampakarina ho Vadin'ny Zanak'ondry.

10 Dia nentiny am-panahy tany amin'ity tendrombohitra sady lehibe no avo aho, ka nasehony ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin'Andriamanitra. 11 Namirapiratry ny voninahitr'Andriamanitra izy, ary voazavan'ny kintana toy ny vato sarobidy, dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly. 12 Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin'ny folo ny vavahadiny; nisy anjely roa ambin'ny folo tamin'ireo vavahady ireo, ary nisy anarana voasoratra koa, dia ny anaran'ny foko roa ambin'ny folon'ny zanak'Israely. 13 Vavahady telo no eo atsinanana, vavahady telo no eo avaratra, vavahady telo no eo atsimo, vavahady telo no eo andrefana. 14 Misy vato fanorenana roa ambin'ny folo ny mandan'ny tanàna; ary misy anarana roa ambin'ny folo amin'ireo, dia ny anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724