Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-5

1 Ary indro, hitako teny an-tànana an-kavanan'ilay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombo-kase fito.

2 Dia indro, nisy anjely mahery anankiray niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny? 3 Ary tsy nisy, na tany an-danitra, na tety an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra na nahajery azy akory. 4 Koa nitomany mafy aho, fa tsy hita izay mendrika hanokatra ny boky sy hijery azy. 5 Dia hoy ny anankiray tamin'ny Anti-dahy tamiko: Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny Liona avy amin'ny fokon'i Jodà sy solofon'i Davida, ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. 6 Ary hitako, fa indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra, sy teo afovoan'ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak'ondry nitsangana, tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina any amin'ny tany rehetra.

7 Dia tonga izy ka nandray ny boky teny an-tànan'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana. 8 Nony nandray ny boky izy, dia niankohoka teo anoloan'ny Zanak'ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo, izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra, dia ny fivavahan'ny olon-masina izany.

9 Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe: Hianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny. Fa voavono hianao, ka ny rànao no nanavotanao ho an'Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny, mbamin'ny fanjakana sy ny firenena rehetra. 10 Nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitra izy ireo, ka manjaka ety ambonin'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1486