Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany
Toko faha-7
2 Dia nahita anjely iray hafa koa aho, niakatra avy amin'ny fiposahan'ny masoandro, nitana ny fitombok'Andriamanitra velona, ary niantso mafy an'ireo anjely efatra nasaina hanimba ny tany aman-dranomasina,3 nanao hoe: Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo, mandra-panisinay fitomboka eo amin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika. 4 Ary reko ny isan'izay voaisy fitomboka tamin'ny fokon'Israely rehetra, ka efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy izy: 9 Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon'olona isaina aho, avy amin'ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin'ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy ny Zanak'ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia.
10 Niantso tamin'ny feo mahery izy ireo nanao hoe: An'Andriamanitra izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana, sy ny Zanak'ondry ny famonjena! 11 Dia nitsangana nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo Anti-dahy ary ny Zava-manana aina efatra ny anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana, nitsaoka an'Andriamanitra, 12 nanao hoe: Amena! An'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-pahefana, ary ny hery! 13 Tamin'izay, ny iray tamin'ireo Anti-dahy nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo fotsy, ary avy aiza no nihaviany?
14 Dia hoy ny navaliko azy: Hianao no mahalala, Tompoko. Ary hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin'ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.