Ny Fanisana

Toko voalohany

1 Tany an'efitra Sinaia, tao amin'ny trano lay fihaonana, tamin'ny andro voalohan'ny volana faharoa, taona faharoa taorian'ny nivoahana tany amin'ny tany Ejipta, dia niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Alao isa ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ka ny anaran'ny lehilahy rehetra isam-batan'olona no hisaina tsirairay avy, 3 hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, dia ny lehilahy rehetra amin'Israely izay mahatam-piadiana. Hianao sy Aarona no hanisa azy araka ny isan-tokony avy; 4 ary lehilahy iray avy amin'ny isam-pokony, izay filohan'ny fokom-pianakaviany avy, no hiaraka aminareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0413