Toko faha-10
8
Ireo mpisorona zanak'i Aarona, no hitsoka ny trompetra; lalàna ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany izany.
9
Any amin'ny taninareo raha handeha hiantafika amin'ny fahavalo mananika anareo hianareo, dia hitsoka ny trompetra atao mikarantsana, ka ho tonga ao amin'ny Tompo Andriamanitrareo ny fahatsiarovana anareo, ka ho voavonjy amin'ny fahavalonareo.
10
Amin'ny andro fifalianareo sy amin'ny fetinareo, ary amin'ny voaloham-bolanareo, hitsoka ny trompetra hianareo, eo am-panolorana ny sorona doranareo, sy ny sorom-pihavananareo, dia ho fampahatsiarovana ho anareo izany, eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
11
Tamin'ny taona faharoa andro faharoapolon'ny volana faharoa, dia nisondrotra niala teo ambonin'ny Fonenan'ny vavolombelona ny rahona.