Ny Fanisana
Toko faha-14
1 Dia nanandra-peo nikiakiaka ny fiangonana rehetra, ka nitomany ny vahoaka nandritra iny alina iny.2 Nimonomonona tamin'i Moizy sy Aarona ny zanak'Israely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra tamin'izy ireo: Inay anie izahay maty tany an-tany Ejipta, na inay anie izahay maty aty amin'ity efitra ity. 3 Nahoana no dia nentin'ny Tompo amin'ity tany ity isika, ka ho lavon-tsabatra? Ary ny vady aman-janatsika holasan-ko babo. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta? 4 Dia nifampilaza hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika, ka hiverina any Ejipta. 5 Nidaboka niankohoka teo anatrehan'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra tafavory Moizy sy Aarona.
