Toko faha-14
14
Efa ren'izy ireo, fa hianao Iaveh no eo afovoan'ity vahoaka ity, hianao Iaveh no miseho mifanatrika ao; ary ny rahonao no mijanona eo amboniny. Hianao no mandeha eo alohany, amin'ny andry rahona, ny antoandro, ary amin'ny andry afo, ny alina.
15
Koa raha vonoinao toy ny singan'olona ity vahoaka ity, ny firenena izay nandre filazana momba anao dia hanao hoe:
16
Tsy zakan'ny Tompo ny nampiditra iny vahoaka iny amin'ny tany efa nianianany homena azy, ka izany no namonoany azy tany an'efitra.
17
Koa ankehitriny, aoka hiseho ho lehibe ny fahefan'ny Tompo, araka ilay voalazanao hoe:
18
Ela vao mitezitra Iaveh, ary sesehena ny hatsaram-pony: mamela ny heloka sy ny fahotana izy, nefa tsy ataony ho tsy manan-tsiny ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra.
19
Avelao ny helok'ity vahoaka ity, araka ny halehiben'ny famindramponao toy ny efa namelanao an'ity vahoaka ity, hatrany Ejipta ka hatr'eto!