Ny Fanisana
Toko faha-15
1 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:2 Mitenena amin'ny zanak'Israely, ka lazao azy hoe: Rahefa tonga any amin'ny tany honenanareo sy omeko anareo hianareo, 3 ka hanatitra sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo, na sorona dorana, na sorona fanalam-boady, na fanatitra an-tsitra-po, na amin'ny fetinareo, mba hisy hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo avy amin'ny omby na ny ondrinareo; 4 izay hanao ny fanatitra ho an'ny Tompo, dia hanolotra lafarina tsara indrindra ampahafolony, voadity tamin'ny diloilo ampahefatry ny hina, hatao fanatitra;
