Ny Fanisana

Toko faha-18

1 Hoy Iaveh tamin'i Aarona: Hianao sy ny zanakao ary ny fianakavian-drainao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fitoerana masina; hianao sy ny zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fisoronanareo.

2 Ento manatona miaraka aminao koa ny rahalahinao, ny fokon'i Levì, ny fokon-drainao, ho mpanampy anao, hanompoany anao, rahefa mby anoloan'ny trano lain'ny vavolombelona hianao sy ny zanakao miaraka aminao. 19 Izay rehetra voavaka avy amin'ny zavatra masina, izay avahan'ny zanak'Israely ho an'ny Tompo, dia omeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao, ho lalàna mandrakizay, fanekena voasira mandrakizay eo anatrehan'ny Tompo izany, ho aminao sy ny taranakao miaraka aminao. 21 Indro omeko ho lovan'ny taranak'i Levì ny fahafolon-karena rehetra amin'Israely noho ny raharaha ataony, dia ny raharahan'ny trano lay fihaonana. 22 Tsy hanakaiky ny trano lay fihaonana intsony ny zanak'Israely, fandrao dia hitondra ny helony izy ka maty. 23 Ny Levita ihany no hanao ny raharahan'ny trano lay fihaonana, dia izy no hitondra ny helony. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo, no tsy hananany lova eo afovoan'ny zanak'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0471