Ny Fanisana

Toko faha-20

1 Tonga tao amin'ny efitra Sina, tamin'ny volana voalohany, ny zanak'Israely, dia ny fiangonana rehetra, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka. Tao no nahafatesan'i Maria sy nandevenana azy.

2 Noho ny tsy fisian'ny rano ho an'ny fiangonana, dia nivory hiodina amin'i Moizy sy Aarona izy ireo.

3 Nifanditra tamin'i Moizy ny vahoaka, ka nanao hoe: Inay anie izahay mba maty, tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'ny Tompo! 4 Ahoana re no dia nitondranareo ny fiangonan'ny Tompo amin'ity efitra ity, mba hahafatesanay ato, izahay sy ny biby fiompinay? 11 Dia naingain'i Moizy ny tànany, ary nokapohiny indroa tamin'ny tehina ny vatolampy, ka niboika be dia be ny rano, dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. 12 Fa hoy Iaveh tamin'i Moizy sy Aarona: Noho hianareo tsy nino ahy, mba hanamasina ahy, eo imason'ny zanak'Israely, dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin'ny tany izay omeko azy hianareo. 13 Izany no ranon'i Meribà izay nilan'ny zanak'Israely ady tamin'ny Tompo, ka nanamasin-tena tamin'izy ireo izy.

14 Avy ao Kadesy no nandefasan'i Moizy iraka tamin'ny mpanjakan'i Edoma, hilaza aminy hoe: Izao no lazain'Israely, rahalahinao: Fantatrao ny fahoriana rehetra niaretanay.

15 Nidina tany Ejipta ny razanay, ary nitoetra tany ela izahay, fa samy nampahorin'ny Ejipsiana, na izahay na ny razanay. 21 Nolavin'i Edoma tsy handalo ny faritaniny Israely, ka dia nivily niala taminy Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0603