Ny Fanisana

Toko faha-21

1 Ren'ilay Kananeana, mpanjakan'i Arada, nonina tao Negeba, fa hoe tamy Israely, mihazo ny làlana mankany Atarina, ka rafitra niady taminy, sy nahazo sambo-belona tamin'Israely izy.

2 Dia nivoady tamin'ny Tompo Israely, nanao hoe: Raha atolotrao eo an-tànako ity firenena ity, dia hovoadiko hatao anatema ny tanànany. 3 Nohenoin'ny Tompo ny feon'Israely, ka natolony ny Kananeana, dia natao anatema izy ireo, mbamin'ny tanànany. Ary ny anaran'izany fitoerana izany, dia natao hoe Hormà. 4 Niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny làlan'ny ranomasina Mena, hanodidina ny tanin'i Edoma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin'io làlana io,

5 ka niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy Moizy hoe: Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty aty an'efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan'itony hanina tsinontsinona itony. 6 Ary Iaveh tamin'izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka: nokekerin'ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin'Israely. 7 Nankeo amin'i Moizy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an'ny Tompo sy hianao. Mivavaha amin'ny Tompo mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo. Dia nivavaka ho an'ny vahoaka Moizy, 8 ka hoy Iaveh tamin'i Moizy: Manaova hianao bibilava mahamay ka apetraho amin'ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany. 9 Dia nanao bibilava varahina Moizy, ka napetrany teo amin'ny tsato-kazo lava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1669