Ny Fanisana

Toko faha-24

2 Ary nony natopiny ny masony, dia nahita an'Israely nitoby isam-pokony izy, ary notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra izy, 3 ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: Faminanian'i Balaama zanak'i Beora; Faminanian'ny lehilahy voakimpy ny masony; 4 Faminanian'ilay mandre ny tenin'Andriamanitra, Izay mibanjina ny fahitana avy amin'ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:

5 Endrey ity hatsaran'ny lainao, ry Jakoba! Ary izato fonenanao, ry Israely!

6 Midadasika toa lohasaha, Tahaka ny zaridaina amoron'ny ony, Tahaka ny aloesy nambolen'ny Tompo, Tahaka ny sedera amoron-drano!

7 Mitobaka ny rano amin'ny sininy roa, Ny taranany mitombo eo amoron'ny rano be dia be; Ny mpanjakany misandratra ambonin'i Agaga, Ary ny fanjakany mandroso voninahitra.

15 Dia nilaza ny lahateniny Balaama ka nanao hoe: Faminanian'i Balaama zanak'i Beora, Faminanian'ny lehilahy voakimpy ny masony, 16 Faminanian'ilay mandre ny tenin'Andriamanitra, Izay mahalala ny fahaizan'ny Avo indrindra, Izay mibanjina ny fahitan'ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:

17 Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin'i Jakoba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin'Israely. Mandrava an'i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1147