Ny Fanisana
Toko faha-3
1 Izao no taranak'i Aarona sy Moizy, tamin'ny andro nitenenan'ny Tompo tamin'i Moizy, teny an-tendrombohitra Sinaia.2 Ny anaran'ny zanakalahin'i Aarona dia izao: Nadaba, lahimatoa, Abiò, Eleazara, ary Itamara. 3 Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Aarona, dia ireo mpisorona nandray ny fanosorana, voatokana hanao ny fisoronana. 4 Nadaba sy Abiò dia maty teo anatrehan'ny Tompo tamin'izy nanatitra afo hafa teo anatrehan'ny Tompo tany an'efitra Sinaia: tsy nanan-janaka izy ireo. 5 Ary Elezara sy Itamara nanao ny fisoronana teo anatrehan'i Aarona rainy. 6 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Ampanatony ny fokon'i Levì, ka apetraho eo anatrehan'i Aarona mpisorona mba hanao ny raharahany.
14 Tany an'efitra Sinaia, dia niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:
15 Alao isa, araka ny fokom-pianakaviany, araka ny fianakaviany avy, ny taranak'i Levì, ka ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra no isao. 16 Dia nataon'i Moizy ny fanisana azy ireo, noho ny tenin'ny Tompo, araka ny nandidiany azy. 17 Izao no zanakalahin'i Levì, araka ny anarany avy: Gersona, Kaata ary Merary.
18 Izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersona, araka ny fianakaviany: Lebny sy Semeì. 19 Ny zanak'i Kaata araka ny fianakaviany dia Amrama, Jezaara, Hebrona ary Oziela. 20 Ny zanak'i Merary, araka ny fianakaviany, dia Moholy sy Mozì. Ireo no fokon'i Levì araka ny fokom-pianakaviany avy. 21 Ny fokon'i Lebny sy ny fokon'i Semeì dia avy amin'i Gersona ka atao hoe fokon'ny Gersonita.
22 Ny voaisa tamin'izy ireo, tamin'ny nanisana ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ny voaisa dia diman-jato amby fito arivo.