Ny Fanisana
Toko faha-4
1 Ary niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe:2 Isao ny taranak'i Kaata amin'ny taranak'i Levì, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, 3 hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra ka hatramin'ny dimam-polo taona; dia izay rehetra voatendry hanao fanompoana hahavita raharaha ao amin'ny trano lay fihaonana. 4 Izao no raharaha hataon'ny taranak'i Kaata ao amin'ny trano lay fihaonana: hitondra ny fanaka masina indrindra izy.
5 Rahefa hifindra lasy, dia Aarona sy ny zanany aloha no ho avy hampidina ny lamba fanakonana, ka ny fiaran'ny vavolombelona, dia hosaronany amin'io; 6 ary hodi-dogaona no harakony eo ambonin'io; lamba jaky volomparasy iray volo no hovelariny ambonin'izay; izay vao hapetany eo ny baony. 7 Ny latabatry ny mofo alahatra, dia hovelarany lamba jaky volomparasy ka hapetrany eo amboniny, ny lovia, ny kalisy, ny kapaoka, ary ny kopy amin'ny fanatitra araraka, ary ny mofo mifandimby tsy tapaka, dia hatao eo ambonin'ny latabatra. 8 Hovelariny lamba mena antitra eo amboniny ireo, sy horakofany firakotra hodi-dogaona vao hapetany ny baon'ny latabatra. 9 Haka lamba jaky volomparasy izy ireo handrakofany ny fanaovan-jiro mbamin'ny lalampiny, ny hetin-jirony, ny fitoeran-davenon-jirony, ny fitoeran-diloilo fanao aminy, sy izay ilaina aminy; 10 ary hataony ao anatin'ny firakotra hodi-dogaona izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, vao hapetrany eo ambonin'ny filanjana azy. 11 Ny otely volamena dia hovelarany lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hametahany ny baony.
