Ny Fanisana

Toko faha-7

2 dia nanatitra ny fanatiny ny lehibe amin'Israely izay filohan'ny isam-pokony avy; izy ireo no filohan'ny isam-poko izay nitarika ny fanisana. 3 Nentiny teo anatrehan'ny Tompo ny fanatiny; sarety mirakotra enina, ary omby roa ambin'ny folo, izany hoe: sarety iray no avy amin'ny filohany roa, ary omby iray avy amin'ny filohany iray. Teo anoloan'ny Fonenana no nanolorany an'ireo. 4 Dia niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:

9 Fa tsy nomeny kosa ny taranak'i Kaata, satria ny fanaka masina no anjara fanompoany, ka tsy maintsy lanjainy an-tsoroka. 10 Natolotry ny filohany ny fanatitra hitokanana ny otely tamin'ny andro nanosorana azy. Natolotry ny filohany eo anoloan'ny otely ny fanatiny. 11 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Aoka hisy iray isan'andro ny filohany no tonga manolotra ny fanatiny, amin'ny fitokanana ny otely. 12 Ka tamin'ny andro voalohany, dia i Nahasona, zanak'i Aminadaba, avy amin'ny fokon'i Jodà no nanolotra ny fanatiny.

13 Izao no nateriny: Lovia volafotsy iray lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo ireo, ho fanatitra; 14 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1772