Epistolan'i Md. Paoly Ho An'i Filemona

Toko voalohany

1 Paoly mpifatora noho ny amin'ny Kristy Jesoa, sy Timote rahalahy, mamangy an'i Filemona malala sady mpiara-miasa aminay,

2 sy Apia anabavy malala, sy Arkipo mpiara-miady aminay, ary ny Eglizy izay ao an-tranonao: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa-Kristy Tompo. 4 Mahatsiaro anao mandrakariva amin'ny fivavahako aho ka misaotra an'Andriamanitra,

5 satria reko ny finoanao an'i Jesoa Tompo sy ny fitiavanao ny olona masina rehetra. 6 Enga anie ny hazavam-ponao avy amin'ny finoana ka hanan-kery tokoa hampiharihary fatratra ny soa rehetra ananantsika amin'ny alalan'ny Kristy! 7 Fa mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao, noho hianao efa namelombelona ny fon'ny olona masina, ry rahalahy. 8 Koa amin'izany, na dia azoko atao aza ny mandidy anao ao amin'ny Kristy amin'izay tokony hataonao,

9 dia aleoko miangavy aminao noho ny fitiavana. Hitanao izao Paoly efa antitra sady mpifatotr'i Jesoa-Kristy koa ankehitriny; 10 dia mifona aminao ho an'i Onesimo zanako naterako teto am-patorana, 11 izay tsy nahasoa anao loatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny, dia hianao sy izaho. 12 Ampodiko atý aminao izy, ilay sombin'ny aiko. 13 Nikasa hihazona azy taty amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao, eto amin'ny fifatorako noho ny amin'ny Evanjely; 14 saingy naleoko tsy nanao na inona na inona raha tsy teny ierana aminao, mba tsy ho an-tery setra ny asa soanao, fa ho an-tsitra-po tokoa. 15 Angamba koa Onesimo no niala vetivety teto aminao, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, 16 tsy toy ny mpanompo intsony, fa mihoatra noho ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala, ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo, na araka ny Tompo. 17 Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy; 18 ary raha nanao ny tsy marina taminao izy, na nitrosa taminao, dia ataovy ho trosako aminao izany. 19 Izaho Paoly no manoratra ity amin'ny tànako, izaho no hanefa izany, mba tsy hilazako aminao fa mpitrosako hianao, ary ahy mbamin'ny tenanao aza.

20 Eny, ry rahalahy, aoka hifaliako ao amin'ny Tompo hianao, ka velombelomy ao amin'ny Kristy ny foko. 21 Izaho no nanoratra ity taminao, dia matoky marina fa hoekenao, ary hanao mihoatra noho izay angatahiko aza hianao. 22 Dia mba anomano trano hitoerako koa aho, fa noho ny vavaka ataonareo dia manantena aho fa haverina aminareo.

23 Manao veloma anao Epafrasy, mpiara-mifatotra amiko ao amin'ny Kristy Jesoa, 24 sy Marka, sy Aristarka sy Demasy, ary Lioka, izay mpiara-miasa amiko. 25 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0794