Taratasin'i Md. Paoly Ho An'i Filemona

Toko voalohany

7 Fa mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao, noho hianao efa namelombelona ny fon'ny olona masina, ry rahalahy. 8 Koa amin'izany, na dia azoko atao aza ny mandidy anao ao amin'ny Kristy amin'izay tokony hataonao,

9 dia aleoko miangavy aminao noho ny fitiavana. Hitanao izao Paoly efa antitra sady mpifatotr'i Jesoa-Kristy koa ankehitriny; 10 dia mifona aminao ho an'i Onesimo zanako naterako teto am-patorana, 11 izay tsy nahasoa anao loatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny, dia hianao sy izaho. 12 Ampodiko atý aminao izy, ilay sombin'ny aiko. 13 Nikasa hihazona azy taty amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao, eto amin'ny fifatorako noho ny amin'ny Evanjely; 14 saingy naleoko tsy nanao na inona na inona raha tsy teny ierana aminao, mba tsy ho an-tery setra ny asa soanao, fa ho an-tsitra-po tokoa. 15 Angamba koa Onesimo no niala vetivety teto aminao, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, 16 tsy toy ny mpanompo intsony, fa mihoatra noho ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala, ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo, na araka ny Tompo. 17 Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy; 18 ary raha nanao ny tsy marina taminao izy, na nitrosa taminao, dia ataovy ho trosako aminao izany. 19 Izaho Paoly no manoratra ity amin'ny tànako, izaho no hanefa izany, mba tsy hilazako aminao fa mpitrosako hianao, ary ahy mbamin'ny tenanao aza.

20 Eny, ry rahalahy, aoka hifaliako ao amin'ny Tompo hianao, ka velombelomy ao amin'ny Kristy ny foko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0743