Epistolan'i Md. Paoly Ho An'i Filemona

Toko voalohany

9 dia aleoko miangavy aminao noho ny fitiavana. Hitanao izao Paoly efa antitra sady mpifatotr'i Jesoa-Kristy koa ankehitriny; 10 dia mifona aminao ho an'i Onesimo zanako naterako teto am-patorana, 12 Ampodiko atý aminao izy, ilay sombin'ny aiko. 13 Nikasa hihazona azy taty amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao, eto amin'ny fifatorako noho ny amin'ny Evanjely; 14 saingy naleoko tsy nanao na inona na inona raha tsy teny ierana aminao, mba tsy ho an-tery setra ny asa soanao, fa ho an-tsitra-po tokoa. 15 Angamba koa Onesimo no niala vetivety teto aminao, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, 16 tsy toy ny mpanompo intsony, fa mihoatra noho ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala, ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo, na araka ny Tompo. 17 Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1054