Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko voalohany

20 tsy izany ihany, fa manantena sy matoky aho fa tsy hahazo henatra na amin'inona na amin'inona, fa mainka ho feno ny fahasahiako, ka na dia ankehitriny aza, toraka ny mandrakariva koa, dia homem-boninahitra amin'ny tenako ny Kristy, na velona aho, na maty. 21 Satria raha ny amiko, dia ny Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.

22 Raha mbola velona amin'ny nofo anefa aho, dia ho fahavokaran'ny asako izany, ka tsy hitako izay hofidiko, 23 fa sanganehana eo anelanelan'izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin'ny Kristy moa, iriko sy tsara lavitra: 24 nefa ny hitoetra amin'ny nofo kosa no ilaina kokoa noho ny aminareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0963