Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko voalohany

18 Nefa mampaninona moa izany e? Rahefa ny Kristy no torina, na amim-pihatsarambelatsihy izany, na amin-kitsim-po, dia mahafaly ahy izany, ary mbola hahafaly ahy koa aza. 19 Satria fantatro fa hody ho famonjena ahy izany, noho ny fivavahanareo sy noho ny fitahian'ny Fanahin'ny Kristy; 20 tsy izany ihany, fa manantena sy matoky aho fa tsy hahazo henatra na amin'inona na amin'inona, fa mainka ho feno ny fahasahiako, ka na dia ankehitriny aza, toraka ny mandrakariva koa, dia homem-boninahitra amin'ny tenako ny Kristy, na velona aho, na maty. 21 Satria raha ny amiko, dia ny Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.

22 Raha mbola velona amin'ny nofo anefa aho, dia ho fahavokaran'ny asako izany, ka tsy hitako izay hofidiko, 23 fa sanganehana eo anelanelan'izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin'ny Kristy moa, iriko sy tsara lavitra: 24 nefa ny hitoetra amin'ny nofo kosa no ilaina kokoa noho ny aminareo. 25 Ary izany indrindra no ampoiziko sy fantatro, dia ny hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra, mba hahazoanareo fandresena sy fifaliana amin'ny finoanareo. 26 Ka dia hitombo ao amin'ny Kristy Jesoa ny reharehanareo noho ny amiko, amin'ny hankanesako atý aminareo indray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0896