Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Filipiana toko 1, 4-6,8-11,
<4ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra, 5noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny; 6sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin'ny andron'i Jesoa-Kristy. 8Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon'ny Kristy Jesoa indrindra aho.
       9Ary izao no angatahiko aminy, dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin'ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo, 10mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa, dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-pihavin'ny andron'ny Kristy hianareo, 11ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin'i Jesoa-Kristy, ho voninanitra sy fiderana an'Andriamanitra. >