Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana
Filipiana toko 2. 1-11
Ny amin'ny firaisan-kevitra sy ny fanetren-tena - Ny fikezahana mafy hahazoana famonjena - Ataony tsara laza Timote sy Epafrodita.
1 Koa raha mba manana famporisihana ao amin'ny Kristy koa hianareo, na manana fanalana alahelo amin'ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo, 2 dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin'ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra, 3 tsy hanao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, 4 samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an'ny namany koa.
5 Manàna izao saina amam-po hita tao amin'ny Kristy Jeso izao: 6 na dia tao amin'ny fomban'Andriamanitra aza izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin'Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, 7 fa nialany izany tamin'izy naka ny fomban'ny mpanompo, ka tonga mitovy amin'ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin'ny fisehoany rehetra, 8 ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. 9 Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra izy, sy nomeny anarana mihoatra ny anarana rehetra, 10 mba handohalika amin'ny anaran'i Jeso avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etý an-tany, na ny any ambany, 11 ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa Jeso-Kristy dia Tompo efa niditra amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray.