Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko faha-2

5 Manàna izao saina amam-po hita tao amin'ny Kristy Jesoa izao:

6 na dia tao amin'ny fomban'Andriamanitra aza izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin'Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, 7 fa nialany izany tamin'izy naka ny fomban'ny mpanompo, ka tonga mitovy amin'ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin'ny fisehoany rehetra, 8 ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0477