Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko faha-2

6 na dia tao amin'ny fomban'Andriamanitra aza izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin'Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, 7 fa nialany izany tamin'izy naka ny fomban'ny mpanompo, ka tonga mitovy amin'ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin'ny fisehoany rehetra, 8 ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. 9 Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra izy, sy nomeny anarana mihoatra ny anarana rehetra, 10 mba handohalika amin'ny anaran'i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etý an-tany, na ny any ambany, 11 ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa Jesoa-Kristy dia Tompo efa niditra amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0969