Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko faha-3

4 Mba manana izay hitokiako amin'ny nofo ihany anefa aho, ka raha ny olon-kafa aza manao azy ho afa-mitoky amin'ny nofo, mainka fa izaho; 17 Ry rahalahy, makà tahaka ahy hianareo; ary diniho ireo mandeha araka ny ohatra hitany taminay.

18 Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon'ny hazo fijalian'i Jesoa-Kristy mihitsy. 19 Fahaverezana no hiafaran'ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamaminy. 20 Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa-Kristy Tompo, 21 izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin'ny vatany be voninahitra, araka ny herin'ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1161