Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko faha-3

8 Eny, mbola ataoko ho faty antoka tokoa izany rehetra izany, raha oharina amin'ny fahambonian'ny fahalalana ny Kristy Jesoa Tompoko; fa ny fitiavako azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako ny Kristy, dia ataoko ho fako, fako foana ny zavatra rehetra,

9 mba ho hita ao aminy aho, tsy amin'ny fahamarinan'ny tenako, na ilay avy amin'ny Lalàna, fa amin'ilay avy amin'ny finoana ny Kristy, dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra noho ny finoana; 10 mba hahalala azy aho, dia izy sy ny herin'ny fitsanganany amin'ny maty, ary ny fiombonana amin'ny fijaliany, ka ho tonga toa azy amin'ny fahafatesany, 11 sy hahatratra ny fitsanganana amin'ny maty, raha azoko atao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0527