Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko faha-4

12 ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona. 13 Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin' ilay mankahery ahy; 14 nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko. 19 Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin'ny Kristy Jesoa izany. 20 Ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0429