Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko faha-4

12 ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona. 13 Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin' ilay mankahery ahy; 14 nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko. 15 Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny Evanjely, rahefa niala tany Masedonia aho, dia tsy nisy Eglizy nifanao kaontin'ny miditra sy mivoaka tamiko, afa-tsy hianareo ihany.

16 Fony aho tany Tesalonìka aza, dia nampanateranareo fanampiana indray mandeha aloha, dia nisy fanindroany koa. 17 Tsy mitady ny homena indray aho, fa ny vokatra miavosa soratana ho anareo no tadiaviko. 18 Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an'i Epafrodita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahan'Andriamanitra, raisiny an-kafaliana. 19 Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin'ny Kristy Jesoa izany. 20 Ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0585