Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko faha-4

4 Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo; eny, averiko indray: mifalia e!

5 Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo: efa akaiky anie ny Tompo e! 6 Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an'Andriamanitra, amin'ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin'inona na amin'inona. 7 Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin'ny Kristy Jesoa anie ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0556