Fitomanian'i Jeremia
Fitomaniana toko 1
Tonon-kira fitomaniana voalohany: Fahorian'i Jerosalema; fiantsoantsoany.
1 ALEPH
Ahoana re no mitoetra manirery ity,
ilay tanàna be olona!
Zary toa mpitondratena,
ilay nalaza tamin'ny firenena!
izy izay mpanjakavavy eo amin'ny faritany,
natao mpandoa hetra.
2 BETH
Mitomany amin'alahelo izy, mandritra ny alina;
voton-dranomaso ny takolany,
tsy misy mampionona azy
ireo mpitia azy rehetra;
nivadika taminy ireo namany rehetra,
ka tonga fahavalony.
3 GHIMEL
Jodà dia lasan-ko babo, fadiranovana,
voaheloka hiasa mafy;
mitoetra any amin'ny firenena,
tsy mahita fitsaharana;
tratran'ireo mpanenjika azy, teo an-kadilanana tery.
4 DALETH
Misaona ny làlan'i Siona,
fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin'ny fetiny.
Rava avokoa ny vavahadiny,
mitaraina ny mpisorony,
miferin'aina ny virjininy
ary tra-pahoriana mangidy izy.
5 HE
Ny mpampahory azy mahery,
ny fahavalony miadana;
fa izy nampahorin'Iaveh,
noho ny hamaroan'ny fahadisoany.
Ny zanany madinika lasan-ko babo,
eo anoloan'ny mpampahory.
6 VAV
Afaka amin'ny zanakavavin'i Siona
ny voninahiny rehetra;
Ny mpanapaka azy dia hoatra ny serfa
tsy mahita vilona
ka mandeha tsy manan-kery,
eo anoloan'ny manenjika azy.
7 ZAIN
Tsaroan'i Jerosalema
amin'ny andron'ny fahoriany amam-pirenireneny
ny zava-tsoa sarobidy rehetra izay nananany,
hatry ny andro fahagola.
Ankehitriny, rahefa lavon'ny tànan'ny mpampahory azy ny olony,
sady tsy misy mamonjy azy,
dia mahita azy ny fahavalony, ka mihomehy
ny fifadiany asa.
8 HETH
Nampitombo ny fahotany Jerosalema,
ka tonga zava-maloto;
mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy,
fa nahita ny fitanjahany;
mandefa feo mitoloko koa izy,
sady miamboho.
9 TETH
Miseho eo ambany rambon'akanjony ny lotony;
tsy nitsapa ny farany izy;
ka mahagaga ny nahalavoany;
sady tsy misy mampionona azy.
Iaveh ô, jereo ity fahantrako,
fa mahery ny fahavalo!
10 YOD
Nandroso ny tànany ny mpampahory
naka ny zava-tsoany rehetra;
fa hitany ny firenena,
niditra tao amin'ny fitoerany masina,
dia ireo firenena izay namoahanao didy nataonao hoe:
Tsy hiditra ao amin'ny fiangonanao izy!
11 KAPH
Misento avokoa ny vahoaka;
mitady hanina izy;
izay firavaka ananany, afoiny atakalo hanina,
izay mampody ny aina ao aminy,
jereo Iaveh ô, zahao
ity fietrena nilatsahako.
12 LAMED
Hianareo rehetra izay mandeha amin'ny làlana,
jereo ka mahità,
raha mba misy fahoriana toy izao
manjo ahy izao,
dia izaho izay nokapohan'Iaveh,
tamin'ny andron'ny fahatezerany mirehitra.
13 MEM
Ny taolako dia nandatsahany avy any ambony,
afo mandoro azy;
novelarany fandrika eo anoloan'ny tongotro,
ka nampihemotra ahy;
nahatrany tamiko ny fahoriana
ka reraka mandritra ny andro izao aho.
14 NUN
Ny jiogan'ny fahotako dia voafehy,
tao an-tànany;
voatambatra ho fehezany ireny,
ka mitambesatra amin'ny vozoko,
nataony mihozohozo ny heriko.
Natolotry ny Tompo eo an-tànan'
izay tsy leoko aho.
15 SAMECH
Nalain'ny Tompo avokoa ny mahery rehetra,
izay teto afovoako;
niantso tafika hamely ahy izy,
hanorotoro ny zatovolahiko;
nohosihosen'ny Tompo, toy ny eo amin'ny famiazam-boaloboka,
ny virjiny, zanakavavin'i Jodà.
16 AIN
Izany no itomaniako,
ka mamarin-dranomaso ny masoko, eny ny masoko;
fa tsy mba misy olona ato anilako, mampionona ahy,
mamelombelona ny aiko.
Vontom-pahoriana ny zanako,
fa mahery ny fahavalo.
17 PHE
Mananty tanan-droa Siona, ...
Tsy misy mampionona azy!
Nantsoin'Iaveh hamely an'i Jakoba,
ny fahavalony ka manarona azy izy.
Eo afovoan'izy ireo Jerosalema,
dia zary toa zava-maloto.
18 TSADE
Tena marina Iaveh,
satria efa nandà ny didiny aho.
Endrey! ry firenena rehetra ô, mba mihainoa hianareo,
ary mijere ny alaheloko:
ny virjiniko sy ny zatovoko
lasan-ko babo.
19 KOPH
Niantso lehilahy mpitia ahy aho,
fa nofitahany;
ny mpisoroko aman-doholona
maty ao an-tanàna,
tamin'ilay izy nitady hanina iny
hamelomany ny ainy.
20 RESCH
Iaveh ô, jereo ity fahoriako!
Mangotika ny atiko;
mikorontana ny foko ato anatiko,
fa niodina dia niodina tokoa aho.
Eny ivelany, matin'ny sabatra ny zanako,
ao an-trano, fahafatesana koa!
21 SCHIN
Ren'ny olona ny fitolokoko,
nefa tsy misy mampionona ahy izy.
Raha nandre ny manjo ahy ny fahavaloko rehetra,
dia mifaly izy, satria niasa hianao.
Hampiavy ny andro voalazanao hianao;
ka ho tonga toa ahy koa ireo!
22 THAV
Ho mby eo anatrehanao avokoa anie ny faharatsian'ireo,
mba hitondranao azy,
toy ny nataonao tamiko
noho ny fahadisoako rehetra!
Fa be ny fisentoako, ka marary ny foko!