Fitomanian'i Jeremia

Fitomaniana toko 2
Faharavan'i Jerosalema.

       1 ALEPH
Ahoana re no nanaronan'ny Tompo rahona,
noho ny fahatezerany
ny zanakavavin'i Siona?
Navariny aman-tany avy any an-danitra,
ny hatsarana kanton'Israely,
tsy tsaroany intsony ity fitoeran-tongony,
tamin'ny andro fahatezerany rehetra.
       2 BETH
Noravan'ny Tompo, tsy nananany antra,
ny fonenan'i Jakoba rehetra.
Narodany tamin'ny hatezerany
ny mandan'ny zanakavavin'i Jodà.
Nazerany amin'ny tany ireo; nohamavoiny
ny fanjakana amam-panjaka.
       3 GHIMEL
Noho ny fahatezerany mirehitra
notapahany avokoa ny herin'Israely;
ny tànany ankavanana, nahemony
teo anoloan'ny fahavalony;
toy ny afo midedadeda
no narehiny tao amin'i Jakoba,
mandevona ny manodidina rehetra.
       4 DALETH
Nanenja-tsipìka toy ny ataon'ny fahavalo izy
ary naninjitra ny tànany ankavanana, toy ny mpanani-bohitra;
ka naripany avokoa izay nahafinaritra ny maso;
tamin'ny lain'ny zanakavavin'i Siona
naidiny toy ny afo ny fahatezerany.
       5 HE
Nanao toy ny fahavalo ny Tompo:
Israely noravany;
ny lapany noravany avokoa;
ny mandany narodany;
ny fijalian'ny zanakavavin'i Siona
notongoaviny fijaliana.
       6 VAV
Nidirany an-kery ny fefiny, toy ny tanimboly;
noravany ny fitoerany masina.
Nataon'Iaveh nitsahatra tao Siona
ny fety aman-tsabata;
tamin'ny firehetan'ny hatezerany dia nariany amim-panesoana
ny mpanjaka amam-pisorona.
       7 ZAIN
Nanjary sosotra amin'ny oteliny ny Tompo
sy madikidiky amin'ny fitoerany masina.
Natolony ho eo an-tanan'ny fahavalo
ny mandan'ny lapany;
dia nisy nihorakoraka
toy ny amin'ny andro fety tao an-tranon'Iaveh.
       8 HETH
Nosainin'Iaveh ny handravana
ny mandan'ny zanakavavin'i Siona,
dia nohenjaniny ny famolaina, tsy nahemony
tsy handrava, ny tànany;
nataony misaona ny manda sy ny manda ivelany,
niara-nitsingidina amin'alahelo ireo.
       9 TETH
Ny vavahadiny tafalentika amin'ny tany,
novakiny, notapahany ny hidiny,
ny mpanjakany amam-panapaka efa any amin'ny firenena,
tsy misy intsony ny lalàna,
ny mpaminany aza tsy mandray
fahitana avy amin'Iaveh intsony.
       10 YOD
Mipetraka mangina amin'ny tany,
ny loholon'ny zanakavavin'i Siona;
nasiany vovoka ny lohany;
mitafy lasàka mitanondri-doha amin'ny tany,
ny virjinin'i Jerosalema.
       11 KAPH
Levona azon'ny ranomaso ny masoko,
mangotika ny atiko;
mitsonika amin'ny tany ny atiko,
noho ny ratran'ny zanakavavin'ny vahoakako,
raha ilay toran'ny harerahana iny
ny ankizy aman-jaza minono,
any amin'ny kianjan'ny tanàna.
       12 LAMED
Hoy izy amin-dreniny:
Aiza no misy mofo sy divay?
dia lavo toy ny voan'ny sabatra izy;
eny amin'ny kianjan'ny tanàna,
ary miala aina
eny an-trotroan'ny reniny.
       13 MEM
Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao,
ry zanakavavin'i Jerosalema?
Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao,
ry virjiny, zanakavavin'i Siona?
Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao;
iza no hanasitrana anao?
       14 NUN
Ny hitan'ny mpaminaninao ho anao,
dia fahitana mpamitaka sy foana:
Tsy naneho ny helokao taminao izy,
mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana,
fa ny nolazainy taminao ho fahitana,
dia teny mandainga sy mandrebireby.
       15 SAMECH
Miteha-tànana avokoa ny amin'ny momba anao,
izay rehetra mandeha amin'ny làlana;
misitrisitry sy mihifikifi-doha
amin'ny zanakavavin'i Jerosalema.
Io va ilay tanàna natao hoe: fahatsaran-tarehy lavorary
fifalian'ny tany rehetra?
       16 PHE
Misanasana vava mamely anao
ny fahavalonao rehetra;
misitrisitry mikitro-nify,
manao hoe: Nolevonintsika izy!
Ity no ilay andro nandrasantsika,
tratrantsika izy, hitantsika izy!
       17 AIN
Nataon'Iaveh izay nokasainy;
notanterahany ny teniny
izay efa nolazainy hatramin'ny andro taloha;
nandrava izy fa tsy niantra,
nampifaly ny fahavalo noho ny aminao izy;
nanandratra ny tandroky ny mpampahory anao izy.
       18 TSADE
Mitaraina amin'ny Tompo ny fon'izy ireo!
Ry mandan'ny zanakavavin'i Siona ô!
Avelao handriaka hoatra ny riaka ny ranomasonao,
andro aman'alina;
aoka tsy hanam-pitsaharana ny anakandriamasonao!
Aza mety mijanona akory.
       19 KOPH
Mitsangàna, miantsoantsoa mandritra ny alina,
hatramin'ny filatsahan'ny fiambenana;
aidino hoatra ny rano ny fonao,
eo anatrehan'ny tavan'ny Tompo!
Manandrata tànana aminy,
ho an'ny ain'ny zanakao madinika,
izay lavo toran'ny hanoanana,
eny an-joron-dàlana rehetra eny.
       20 RESCH
Iaveh ô, jereo ka diniho:
Iza no mbola nataonao toy izao, na oviana na oviana?
Endrey! Misy vehivavy mba efa mihinana ny naloaky ny kibony ve?
Dia ny zanany madinika izay malalany?
Endrey! Mba efa vonoina eo amin'ny fitoerana masin'ny Tompo,
na ny mpisorona na ny mpaminany!
       21 SCHIN
Miampatrampatra amin'ny tany eny an-dalambe,
ny ankizy sy ny anti-dahy;
ny virjiniko aman-jatovoko, lavon'ny sabatra;
namono tamin'ny andron'ny fahatezeranao hianao;
namono tsy nanana antra hianao!
       22 THAV
Nantsoinao, hoatra ny amin'ny andro fety,
ny fampangorohoroana ahy hatraiza hatraiza;
tamin'ny andron'ny fahatezeran'Iaveh, tsy nisy
afa-nidify na nandositra:
naringan'ny fahavaloko
izay notiaviko sy nobeaziko!