Fitomanian'i Jeremia

Toko faha-3

1 ALEPH Izaho no ilay olona nahita ny fahoriana tamin'ny tsora-kazon'ny fahatezerany.

2 Nentiny sy nampandehaniny aho tamin'ny aizina fa tsy tamin'ny mazava.

3 Izaho irery no asiany dia asian' ny tànany mandritra ny andro.

4 BETH Ny nofo aman-koditro, nataony korotika; ny taolako notapatapahany.

5 Nanorina izay hamelezany ahy izy; notemerany ny mangerokeroka sy mahasorisorena aho.

6 Nampitoeriny amin'ny maizina, toy ny efa maty fahagola aho.

7 GHIMEL Nohodidininy tamboho aho, tsy ho afa-mivoaka; novesarany gadra vy.

8 Na mitaraina sy miangavy aza aho, tampenany avokoa ny fidiran'ny fivavahako.

9 Notampenany vato voapaika ny làlako; nakorokorony ny sakeli-dalako.

10 DALETH Mova izy amiko tsy ny orsa manotrika sy ny liona manotrika iny.

11 Naviliny ny làlako, dia noviravirainy aho, ka nataony fandao!

12 Nanenjana ny tsipìkany izy; dia izaho no napetrany hokendreny amin'ny zana-tsipìkany.

13 HE Natanterany ny valahako ny zanaky ny tranon-jana-tsipìkany;

14 efa fihomehezan'ny vahoakako rehetra aho, ataony an-kira mandritra ny andro.

15 Novokisany zava-mangidy aho, nobobohany absinta.

16 VAV Nampikosohiny fasika ny nifiko; nasitriny tao anaty lavenona aho.

17 Ny fanahiko voasintona mafy lavitra ny fahatokiana, ny fifaliana efa hadinoko,

18 ka hoy aho: Very ny heriko, mbamin'ny fanantenako an'ny Tompo.

19 ZAIN Tsarovinao ny fahoriako amam-pijaliako, ny absinta aman'afero!

20 Mahatsiaro izany mandrakariva ny fanahiko, ka reraka ato anatiko izy.

21 Izao no hotsarovako ato anatin'ny foko, ka dia izany no mba hanantenako.

22 HETH Famindram-pon'ny Tompo no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy lany ny famindram-pony.

23 Mihavao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao!

24 Iaveh no anjarako, hoy ny fanahiko, koa izy no hanantenako.

25 TETH Tsara fo Iaveh amin'izay manantena azy, amin'ny fanahy mitady azy.

26 Tsara ny miandry amim-pahanginana, ny famonjen'ny Tompo.

27 Tsara ho an'ny olona ny mitondra ny jioga hatramin' ny fahatanorany.

28 YOD Aoka hitoetra irery amim-pahanginana izy, raha ampitondrain'Andriamanitra an'izany.

29 Aoka hanohoka ny vavany amin'ny vovoka izy; angamba misy hantenaina!

30 Aoka hanolotra ny takolany amin'izay mamely azy izy; aoka hivoky latsa izy!

31 KAPH Satria ny Tompo tsy manary mandrakizay;

32 fa raha mampahory izy, dia mangoraka, araka ny famindram-pony lehibe ;

33 Ary tsy satriny ny manetry, na mampahory ny zanak'olombelona.

34 LAMED Raha hitsakitsahin'ny olona amin'ny tongony, ny babo rehetra amin'ny tany;

35 raha ny manana ny rariny no ampandeferin'ny olona, eo anatrehan'ny Avo indrindra;

36 raha misy mampidi-doza ny olona amin'ny adiny, moa tsy ho hitan'ny Tompo va izany?

37 MEM Iza moa no niteny, dia tanteraka izany, raha tsy efa voadidin'ny Tompo?

38 Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no mivoaka ny soa sy ny loza?

39 Ka ahoana no itarainan'ny olombelona raha mbola velona izy? Aoka ny fahotany avy no sampy hitarainany!

40 NUN Aoka isika samy handinika ny làlany sy hamantatra azy, ka hiverina amin'ny Tompo,

41 amin'Andriamanitra any an-danitra: Asondroty ny fontsika mbamin'ny tanantsika.

42 Izahay dia efa nanota, efa niodina; hianao tsy namela heloka.

43 SAMECH Nisarona ny fahatezeranao hianao, dia nenjehinao izahay, novonoinao tsy nanananao antra:

44 Nisarona rahona hianao, tsy hisy hidiran'ny fivavahana.

45 Nataonao fakofako amam-paikan-javatra eo afovoan'ny firenena izahay.

46 PHE Misanasana vava aminay avokoa ny fahavalonay rehetra;

47 ny tahotra aman-davaka no anjaranay, sy ny fandravana amam-pandringanana.

48 Ranomaso mandriaka no mijononoka amin'ny masoko, noho ny fandravana ny zanakavavin'ny vahoakako.

49 AIN Mitomany tsy mijanona ny masoko, satria tsy misy hiainana,

50 mandra-pitsinjony sy ijeren' Iaveh any an-tampon'ny lanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1027