Fitomanian'i Jeremia
Fitomaniana toko 3
Fitarainana, fanantenana ary fampiononana.
1 ALEPH
Izaho no ilay olona nahita ny fahoriana
tamin'ny tsora-kazon'ny fahatezerany.
2 Nentiny sy nampandehaniny aho
tamin'ny aizina fa tsy tamin'ny mazava.
3 Izaho irery no asiany dia asian'
ny tànany mandritra ny andro.
4 BETH
Ny nofo aman-koditro, nataony korotika;
ny taolako notapatapahany.
5 Nanorina izay hamelezany ahy izy; notemerany
ny mangerokeroka sy mahasorisorena aho.
6 Nampitoeriny amin'ny maizina,
toy ny efa maty fahagola aho.
7 GHIMEL
Nohodidininy tamboho aho, tsy ho afa-mivoaka;
novesarany gadra vy.
8 Na mitaraina sy miangavy aza aho,
tampenany avokoa ny fidiran'ny fivavahako.
9 Notampenany vato voapaika ny làlako;
nakorokorony ny sakeli-dalako.
10 DALETH
Mova izy amiko tsy ny orsa manotrika
sy ny liona manotrika iny.
11 Naviliny ny làlako, dia noviravirainy aho,
ka nataony fandao!
12 Nanenjana ny tsipìkany izy; dia izaho no napetrany
hokendreny amin'ny zana-tsipìkany.
13 HE
Natanterany ny valahako ny zanaky
ny tranon-jana-tsipìkany;
14 efa fihomehezan'ny vahoakako rehetra aho,
ataony an-kira mandritra ny andro.
15 Novokisany zava-mangidy aho,
nobobohany absinta.
16 VAV
Nampikosohiny fasika ny nifiko;
nasitriny tao anaty lavenona aho.
17 Ny fanahiko voasintona mafy lavitra ny fahatokiana,
ny fifaliana efa hadinoko,
18 ka hoy aho: Very ny heriko,
mbamin'ny fanantenako an'Iaveh.
19 ZAIN
Tsarovinao ny fahoriako amam-pijaliako,
ny absinta aman'afero!
20 Mahatsiaro izany mandrakariva ny fanahiko,
ka reraka ato anatiko izy.
21 Izao no hotsarovako ato anatin'ny foko,
ka dia izany no mba hanantenako.
22 HETH
Famindram-pon'Iaveh no tsy nahalany ritra antsika,
fa tsy lany ny famindram-pony.
23 Mihavao isa-maraina izany;
lehibe ny fahamarinanao!
24 Iaveh no anjarako, hoy ny fanahiko,
koa izy no hanantenako.
25 TETH
Tsara fo Iaveh amin'izay manantena azy,
amin'ny fanahy mitady azy.
26 Tsara ny miandry amim-pahanginana,
ny famonjen'Iaveh.
27 Tsara ho an'ny olona ny mitondra ny jioga
hatramin' ny fahatanorany.
28 YOD
Aoka hitoetra irery amim-pahanginana izy,
raha ampitondrain'Andriamanitra an'izany.
29 Aoka hanohoka ny vavany amin'ny vovoka izy;
angamba misy hantenaina!
30 Aoka hanolotra ny takolany amin'izay mamely azy izy;
aoka hivoky latsa izy!
31 KAPH
Satria ny Tompo tsy manary
mandrakizay;
32 fa raha mampahory izy, dia mangoraka,
araka ny famindram-pony lehibe ;
33 Ary tsy satriny ny manetry,
na mampahory ny zanak'olombelona.
34 LAMED
Raha hitsakitsahin'ny olona amin'ny tongony,
ny babo rehetra amin'ny tany;
35 raha ny manana ny rariny no ampandeferin'ny olona,
eo anatrehan'ny Avo indrindra;
36 raha misy mampidi-doza ny olona amin'ny adiny,
moa tsy ho hitan'ny Tompo va izany?
37 MEM
Iza moa no niteny, dia tanteraka izany,
raha tsy efa voadidin'ny Tompo?
38 Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no mivoaka
ny soa sy ny loza?
39 Ka ahoana no itarainan'ny olombelona raha mbola velona izy?
Aoka ny fahotany avy no sampy hitarainany!
40 NUN
Aoka isika samy handinika ny làlany sy hamantatra azy,
ka hiverina amin'Iaveh,
41 amin'Andriamanitra any an-danitra:
Asondroty ny fontsika mbamin'ny tanantsika.
42 Izahay dia efa nanota, efa niodina;
hianao tsy namela heloka.
43 SAMECH
Nisarona ny fahatezeranao hianao, dia nenjehinao izahay,
novonoinao tsy nanananao antra:
44 Nisarona rahona hianao,
tsy hisy hidiran'ny fivavahana.
45 Nataonao fakofako amam-paikan-javatra
eo afovoan'ny firenena izahay.
46 PHE
Misanasana vava aminay avokoa
ny fahavalonay rehetra;
47 ny tahotra aman-davaka no anjaranay,
sy ny fandravana amam-pandringanana.
48 Ranomaso mandriaka no mijononoka amin'ny masoko,
noho ny fandravana ny zanakavavin'ny vahoakako.
49 AIN
Mitomany tsy mijanona ny masoko,
satria tsy misy hiainana,
50 mandra-pitsinjony sy ijeren'
Iaveh any an-tampon'ny lanitra.
51 Mampidi-pahoriana amin'ny fanahiko ny masoko,
noho ny amin'ireto zanakavavin'ny tanànako rehetra.
52 TSADE
Manenjika ahy, hoatra ny fanenjika fody,
ireo mpankahala ahy tsy ahoana tsy ahoana.
53 Nitady hamono ny aiko tao anatin'ny lavaka izy ireo,
dia efa nandatsaka vato hanindry ahy.
54 Nisondrotra mihoatra ny lohako ny rano,
ka hoy aho: Maty aho!
55 KOPH
Iaveh ô, niantso ny anaranao
tany anaty lavaka lalina aho.
56 Renao ny feoko: Aza manentsin-tadìny,
amin'ny fisentoako, amin'ny fitarainako!
57 Tamin'ny andro niantsoako anao, nanatona hianao,
dia nanao hoe: Aza matahotra!
58 RESCH
Tompo ô, niandraikitra ny adiko hianao,
namonjy ny aiko.
59 Hitanao, ry Iaveh, ny anaovany an-keriny amiko,
omeo ny rariny aho!
60 Hitanao avokoa ny lolom-pony
sy ny fiokoan'izy rehetra hamely ahy.
61 SCHIN
Renao avokoa, ry Iaveh, ny latsa ataony,
ny fiokoan'izy rehetra hamely ahy,
62 ny resaky ny fahavaloko mbamin'ny fisainany
hamely ahy mandritra ny andro.
63 Jereo, fa na mipetraka izy ireo na mitsangana,
dia izaho no ataony an-kira.
64 Valio araka ny mendrika azy ireo izy, ry Iaveh ô!
araka ny asan'ny tànany,
65 ataovy jamba ny fony;
atokano ho azy ny ozonao.
66 Enjeho an-katezerana izy, ary fongory,
tsy ho ety ambanin'ny lanitr'Iaveh!